1 Peter 1

1Petera, apostolin’i Jesosy Kristy, ho an’ireo zanaka am-pielezana, ireo izay voafidy, manerana an’i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, ary Bitynia. 2Izany dia araka ny fantatr’Andriamanitra Ray mialoha, voatokan’ny Fanahy ho fankatoavana sy ho famafazana ny ràn’i Jesosy Kristy. Ho aminareo anie ny fahasoavana, ary hitombo anie ny fiadananareo.

3Ho tahiana anie Andriamanitra sy Rain’i Jesosy Kristy Tompotsika. Tamin’ny famindram-pony, no nanomezany antsika fahaterahana vaovao ho an’ny fahatokisan’ny lova. Izany lova izany dia tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. 4Izany dia ho an’ny lova izay tsy ho faty, tsy ho simba, ary tsy ho levona. Izany dia voatokana ho anareo any an-danitra. 5Ianareo dia arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana, ho an’ny famonjena izay efa vonona ho ambara amin’ny fotoana farany.

6Tena ravoravo momba izany ianareo, na dia ilainareo aza ny hahatsiaro malahelo amin’ny olana maro samy hafa ankehitriny. 7Izany dia ho an’ny fanaporofoana ny finoanareo, izay sarobidy kokoa noho ny volamena izay simba, na dia nosedraina tamin’ny afo aza. Miseho izany mba ho hita ny vokatry ny finoanareo amin’ny fiderana, voninahitra, ary haja amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.

8Tsy nahita Azy ianareo, nefa tia Azy. Tsy mahita azy ianareo ankehitriny, kanefa mino Azy ary tena faly amin’ny fifaliana tsy hay lazaina, mahafinaritra. 9Raisinareo ankehitriny ny vokatry ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. 10Ireo mpaminany dia nikaroka sy nanontany tsara ny momba izany famonjena izany, ny momba ny fahasoavana izay ho anareo.

11Izy ireo dia nitady ny hahafantatra ny momban’ny hoe iza sy oviana ny Fanahin’i Kristy ao amin’izy ireo no niteny tamin’izy ireo. Izany dia nitranga toy ny nolazainy azy ireo mialoha momba ireo fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. 12Nambara tamin’izy ireo izany mba tsy hanompo ny tenany izy ireo, fa ianareo, rehefa niteny ireo zavatra izay voalaza taminareo ankehitriny izy ireo tamin’ny alalan’ireo izay nitory ny filazantsara taminareo tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina nalefa avy any an-danitra--zavatra izay tian’ireo anjely ho fantatra.

13Noho izany homano ny sainareo. Mahonona tena. Mametraha fitokiana amin’ny fahasoavana izay ho entina eo aminareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy. 14Amin’ny maha-zanaka mpankàto, aza mampifanaraka ny tenanareo amin’ireo faniriana izay narahinareo tamin’ny mbola tsy nahalala ianareo.

15Fa tahaka ilay iray izay niantso anareo hoe masina, ianareo, ihany koa, aoka ho masina amin’ny fitondran-tenanareo manontolo. 16Fa voasoratra hoe: “Aoka ho masina, satria masina Aho.” 17Ka raha miantso ilay iray izay mitsara tsy misy fanavakavahana araka ny asan’olona tsirairay avy hoe: “Ray” ianareo, dia handany ny fotoan’andronareo amin’ny fanehoana fanajana.

18Fantatrareo fa tsy avy tamin’ny volafotsy na volamena mety levona no nanavotana anareo tamin’ny fitondran-tena adala izay nianaranareo tamin’ireo razanareo. 19Fa kosa, navotana tamin’ny rà sarobidin’i Kristy ianareo, izay toy ny zanak’ondry tsy misy kilema na tsiny.

20Voafidy talohan’ny nananganana an’izao tontolo izao Kristy, fa ankehitriny dia tamin’ireo fotoana farany no nanambaràna Azy taminareo. 21Amin’ny alalany no hinoanareo an’Andriamanitra, izay nanangana azy tamin’ny maty sy tamin’ireo nomeny voninahitra mba ho ao amin’Andriamanitra ny finoana sy fahatokianareo.

22Nanadio ny fanahinareo tamin’ny fankatoavana ny fahamarinana ianareo. Izany dia ho an’ny fitiavana ara-pirahalahiana madio; noho izany mifankatiava fatratra amin’ny fo. [ Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky hoe: “Nanadio ny fanahinareo tamin’ny fankatoavana ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny Fanahy ianareo”] 23Nateraka indray ianareo, tsy avy amin’ny voa mety maty, fa avy amin’ny voa tsy mety maty, amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra velona sy mitoetra.

24Fa “ny nofo rehetra dia toy ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny voninkazon’ny ahitra. Maina ny ahitra, ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’ny Tompo dia mitoetra mandrakizay.” Izany ny vaovao mahafaly izay nambara taminareo.

25

Copyright information for PltULB